Numbers 12:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny rahona dia niala tamin’ny tranolay; ary indro, tonga boka i Miriama ka fotsy tahaka ny orampanala. Ary nijery an’i Miriama i Arona ka indro fa lasa boka ny anabaviny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny rahona niala teo ambonin’ny trano lay. Ary indro Maria tonga boka, mova tsy ny oram-panala. Nitodika an’i Maria i Aarôna, dia indro fa boka izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa nisandratra ho eo ambonin’ny Tranolay ny rahona, dia indro feno pentina fotsy toa oram-panala i Miriama fa boka. Nijery azy i Aharôna ka nahita fa boka ny anabaviny.
Malagasy Bible 1865
Ary ny rahona niala tamin'ny trano-lay; ary, indro, boka Miriama ka fotsy tahaka ny oram-panala; ary Arona dia nijery an'i Miriama, ka indro fa boka izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny rahona dia niala tamin’ny tranolay; ary indro, tonga boka i Miriama ka fotsy tahaka ny orampanala. Ary nijery an’i Miriama i Arona ka indro fa lasa boka ny anabaviny.
malagasy
Ary ny rahona niala tamin'ny trano-lay; ary, indro, boka Miriama ka fotsy tahaka ny oram-panala; ary Arona dia nijery an'i Miriama, ka indro fa boka izy.