Numbers 12:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary NY TOMPO niteny tampoka tamin’i Mosesy sy i Arona ary i Miriama hoe: Mivoaha ho any amin’ny tranolay fihaonana ianareo telo mianadahy. Dia nivoaka ny toby izy telo mianadahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niteny tampoka tamin’i Môizy sy i Aarôna ary i Maria i Iaveh nanao hoe: «Mivoaha ianareo telo mianadahy ho any an-trano lay fihaonana.» Dia nivoaka daholo izy telo mianadahy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tampoka teo dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy sy i Aharôna ary i Miriama: –Mankanesa ianareo telo mianadahy ao amin’ny Tranolay fihaonana. Dia nankany izy ireo.
Malagasy Bible 1865
Ary Jehovah dia niteny tampoka tamin'i Mosesy sy Arona ary Miriama hoe: Mivoaha ianareo telo mianadahy ho any amin'ny trano-lay fihaonana. Dia nivoaka izy telo mianadahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary NY TOMPO niteny tampoka tamin’i Mosesy sy i Arona ary i Miriama hoe: Mivoaha ho any amin’ny tranolay fihaonana ianareo telo mianadahy. Dia nivoaka ny toby izy telo mianadahy.
malagasy
Ary Jehovah dia niteny tampoka tamin'i Mosesy sy Arona ary Miriama hoe: Mivoaha ianareo telo mianadahy ho any amin'ny trano-lay fihaonana. Dia nivoaka izy telo mianadahy.