Numbers 12:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mifanatrika no itenenako aminy, amin’ny teny mazava fa tsy amin’ny ankamantatra ary mandinika ny endriky NY TOMPO mihitsy izy. Koa nahoana ianareo no tsy matahotra hanome tsiny an’i Mosesy mpanompoko?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Miteny aminy mifanatrika ka miseho miharihary aminy Aho, fa tsy aman’ohatra, dia mijery ny Endrik’i Iaveh izy. Koa nahoana àry ianareo no dia tsy natahotra ny hanome tsiny ny mpanompoko, dia i Môizy?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mifanatrika no itenenako aminy, dia amin’ny teny mazava fa tsy miafina; ary mahita Ahy TOMPO miseho aminy izy; koa nahoana ianareo no tsy natahotra hanome tsiny an’i Mosesy mpanompoko?
Malagasy Bible 1865
Mifanatrika no itenenako aminy, dia amin'ny fahitana, fa tsy amin'ny teny saro-pantarina, ary mijery ny endrik'i Jehovah izy; ka nahoana ianareo no tsy natahotra hanome tsiny an'i Mosesy mpanompoko?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Mifanatrika no itenenako aminy, dia amin'ny fahitana, fa tsy amin'ny teny saro-pantarina, ary mijery ny endrik'i Jehovah izy; ka nahoana ianareo no tsy natahotra hanome tsiny an'i Mosesy mpanompoko?