Numbers 13:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Maniraha lehilahy vitsivitsy hisafo ny tany Kanana izay omeko ho an’ny Zanak’Israely. Lehilahy iray avy amin’ny fokony avy no hirahinareo, koa izay samy lehiben’ny fokony avy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Maniraha olona hisafo ny tany Kanaana, izay omeko ny zanak’i Israely. Lehilahy iray isam-pokom-pianakaviana no hirahinareo; aoka izy rehetra ho samy filohany amin’izy ireo avy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Mandefasa lehilahy hisafo ny tany Kanahàna izay omeko ny Israelita. Lehilahy iray isam-pokony avy no halefanareo, ka izy rehetra dia hotsongaina amin’ireo mpiandraikitra azy.
Malagasy Bible 1865
Maniraha lehilahy vitsivitsy hisafo ny tany Kanana, izay omeko ho an'ny Zanak'Isiraely; dia lehilahy iray avy isam-pirazanany no hirahinareo, ka izay samy lohan'ny fireneny avy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Maniraha lehilahy vitsivitsy hisafo ny tany Kanana izay omeko ho an’ny Zanak’Israely. Lehilahy iray avy amin’ny fokony avy no hirahinareo, koa izay samy lehiben’ny fokony avy.
malagasy
Maniraha lehilahy vitsivitsy hisafo ny tany Kanana, izay omeko ho an'ny Zanak'Isiraely; dia lehilahy iray avy isam-pirazanany no hirahinareo, ka izay samy lohan'ny fireneny avy.