Numbers 13:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Niakatra nandalo ny Negeva izy ireo ka nankany Hebrona izay nisy an’i Ahimana sy i Sesay ary i Talmay, taranaky ny Anakita. I Hebrona dia voaorina fito taona talohan’i Zoana any Ejipta.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niakatra an’i Negeba izy ireo, ka nandroso hatrany Hebrôna, izay nisy an’i Akimàna sy i Sizaia ary i Tolmaia, taranak’i Enàka. I Hebrôna dia naorina fito taona talohan’i Tanisa any Ejipta.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Niakatra avy any atsimo izy ireo ka tonga tao Hebrôna izay nonenan’ny tarik’i Ahimàna sy i Sesay ary i Talmay, samy taranaky ny Hanakita. I Hebrôna dia niorina fito taona talohan’i Tsôhàna any Ejipta.
Malagasy Bible 1865
Dia niakatra tao amin'ny tany atsimo izy ka nankany Hebrona; ary teo Ahimana sy Sesay ary Talmay, teraky ny Anakita. (Ary Hebrona dia voaorina fito taona talohan'i Zoana any Egypta.)
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Niakatra nandalo ny Negeva izy ireo ka nankany Hebrona izay nisy an’i Ahimana sy i Sesay ary i Talmay, taranaky ny Anakita. I Hebrona dia voaorina fito taona talohan’i Zoana any Ejipta.
malagasy
Dia niakatra tao amin'ny tany atsimo izy ka nankany Hebrona; ary teo Ahimana sy Sesay ary Talmay, teraky ny Anakita. (Ary Hebrona dia voaorina fito taona talohan'i Zoana any Egypta.)