Numbers 13:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia tonga hatrany amin’ny lohasaha Eskola izy ireo ka tany no nanapaka sampam-boaloboka izay nisy sampahony iray ihany, ary nolanjain’ny roalahy tamin’ny bao izany; nitondrany mody koa ny ampongabendanitra sy ny aviavy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tonga tao amin’ny lohasaha Eskôla izy ireo dia nanapaka rantsam-boaloboka iray nisy sampahony, ka roa lahy izy no nilanja an’io tamin’ny hazo lava; naka ampongabendanitra sy aviavy koa izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nankany amin’ny Lohasahan’i Eskôla ireo mpisafo tany ka nanapaka tahom-boaloboka misy sampahony, ary nolanjain’olon-droa tamin’ny hazo niaraka tamin’ny ampongabendanitra sy ny aviavy.
Malagasy Bible 1865
Dia nankany amin'ny lohasaha Eskola izy ka nanapaka sampam-boaloboka teo izay nisy sampahony iray ihany, ary nolanjain-droa lahy tamin'ny hazo izany; ary ny ampongaben-danitra sy ny aviavy dia nitondrany koa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia tonga hatrany amin’ny lohasaha Eskola izy ireo ka tany no nanapaka sampam-boaloboka izay nisy sampahony iray ihany, ary nolanjain’ny roalahy tamin’ny bao izany; nitondrany mody koa ny ampongabendanitra sy ny aviavy.
malagasy