Numbers 13:26 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nandeha izy ireo nankeo amin’i Mosesy sy i Arona ary ny fiangonana, dia ny Zanak’Israely manontolo, tany an-tany efitra Parana, tany Kadesy, ka nitondra teny taminy sy tamin’ny fiangonana manontolo sady naneho azy ny vokatry ny tany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tonga izy, dia nanatona an’i Môizy sy i Aarôna, mbamin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra, tao Kadesy tany an’efitra Faràna. Nanao filazana taminy sy tamin’ny fiangonana rehetra izy ireo ary naneho ny vokatry ny tany taminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nankeo amin’i Mosesy sy i Aharôna ary ny Fiangonan’ny Israelita rehetra tao an-taniefitr’i Paràna any Kadesy izy ireo, ka nanao tatitra tamin’ny besinimaro ary nampiseho azy ny vokatry ny tany.
Malagasy Bible 1865
Dia nankeo amin'i Mosesy sy Arona ary ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, tany an-efitra Parana izy, dia tany Kadesy, ka nitondra teny taminy sy ny fiangonana rehetra sady naneho azy ny vokatry ny tany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nandeha izy ireo nankeo amin’i Mosesy sy i Arona ary ny fiangonana, dia ny Zanak’Israely manontolo, tany an-tany efitra Parana, tany Kadesy, ka nitondra teny taminy sy tamin’ny fiangonana manontolo sady naneho azy ny vokatry ny tany.
malagasy