Numbers 13:32 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nilaza ratsy ny tany izay nosafoiny tamin’ny Zanak’Israely izy ireo ka niteny hoe: Ny tany izay nalehanay mba hosafoina dia tany mihinana izay monina ao ary ny olona rehetra izay hitanay tao dia olona vaventy be;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Sady nataony laza ratsy teo anatrehan’ny zanak’i Israely ny tany izay nosafoiny, ka hoy izy: «Ny tany notetezinay nosafoina dia tany mandevona ny mponina aminy; ny olona rehetra hitanay tany dia olona avo ranjanana daholo;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nanao izay haharatsy laza ny tany izay nosafoiny tamin’ny Israelita izy ireo ka niteny hoe: –Ny tany izay nosafoinay dia tany mamono ny olona tonga monina ao, ary ny olona izay hitanay tao dia ranjanana avokoa.
Malagasy Bible 1865
Dia nilaza ratsy ny tany izay nosafoiny tamin'ny Zanak'Isiraely izy ka nanao hoe: Ny tany izay nalehanay nosafoina dia tany izay mandevona ny monina eo, ary ny olona rehetra izay hitanay teo dia olona vaventibe;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nilaza ratsy ny tany izay nosafoiny tamin’ny Zanak’Israely izy ireo ka niteny hoe: Ny tany izay nalehanay mba hosafoina dia tany mihinana izay monina ao ary ny olona rehetra izay hitanay tao dia olona vaventy be;
malagasy
Dia nilaza ratsy ny tany izay nosafoiny tamin'ny Zanak'Isiraely izy ka nanao hoe: Ny tany izay nalehanay nosafoina dia tany izay mandevona ny monina eo, ary ny olona rehetra izay hitanay teo dia olona vaventibe;ary nahita ny Nefilima teo izahay, dia taranaky ny Anakita avy amin'ny Nefilima; ary teo imasonay dia tahaka ny tsingentana izahay; ary toy izany koa izahay teo imasony.