Numbers 14:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nanandratra ny feony ny fiangonana manontolo ka nitaraina; nitomany ny olona nandritra iny alina iny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nanandra-peo nikiakiaka ny fiangonana rehetra, ka nitomany ny vahoaka nandritra iny alina iny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nandritra ny alina manontolo dia nikiakiaka sy nitomany avokoa ny vahoaka tafangona teo.
Malagasy Bible 1865
Dia nanandratra ny feony ny fiangonana rehetra ka nitaraina; ary nitomany ny olona tamin'iny alina iny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nanandratra ny feony ny fiangonana manontolo ka nitaraina; nitomany ny olona nandritra iny alina iny.
malagasy
[Ny nandavan'ny Zanak'Isiraely tsy hiakatra ho eny amin'ny tany Kanana] Dia nanandratra ny feony ny fiangonana rehetra ka nitaraina; ary nitomany ny olona tamin'iny alina iny.