Numbers 14:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ny fiangonana manontolo dia nilaza hitora-bato azy roalahy, kanjo ny voninahitry NY TOMPO niseho teo amin’ny tranolay fihaonana, teo anatrehan’ny Zanak’Israely rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha ilay niteniteny ny hitora-bato an’ireo iny ny fiangonana rehetra dia indro ny voninahitr’i Iaveh niseho teo amin’ny trano lay fihaonana, teo imason’ny zanak’i Israely rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nandrahona hitora-bato azy roa lahy ny vahoaka iray manontolo; kanjo indro ny voninahitry ny TOMPO fa niseho tamin’ny Israelita rehetra teo amin’ny Tranolay fihaonana.
Malagasy Bible 1865
Fa hoy ny fiangonana rehetra: Torahy vato izy roa lahy. Kanjo ny voninahitr'i Jehovah niseho teo amin'ny trano-lay fihaonana, teo anatrehan'ny Zanak'Isiraely rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ny fiangonana manontolo dia nilaza hitora-bato azy roalahy, kanjo ny voninahitry NY TOMPO niseho teo amin’ny tranolay fihaonana*, teo anatrehan’ny Zanak’Israely rehetra.
malagasy
Fa hoy ny fiangonana rehetra: Torahy vato izy roa lahy. Kanjo ny voninahitr'i Jehovah niseho teo amin'ny trano-lay fihaonana, teo anatrehan'ny Zanak'Isiraely rehetra.