Numbers 14:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Mandra-pahoviana no hamingavingan’ity firenena ity Ahy? Ary mandra-pahoviana no tsy hinoany Ahy noho ny famantarana rehetra izay nataoko teo aminy?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mandra-pahoviana no haniratsiràn’ity vahoaka ity Ahy? Ary mandra-pahoviana no tsy hinoany Ahy, na dia eo aza ny fahagagana rehetra nataoko teo afovoany?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Mandra-pahoviana no hanamavoan’ity vahoaka ity Ahy? Ary mandra-pahoviana no handavany tsy hino Ahy, na dia teo aza ny famantarana rehetra izay nataoko teo aminy?
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mandra-pahoviana no hamotsifotsian'ity firenena ity Ahy? ary mandra-pahoviana no tsy hinoany Ahy noho ny famantarana rehetra izay nataoko teo aminy?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Mandra-pahoviana no hamingavingan’ity firenena ity Ahy? Ary mandra-pahoviana no tsy hinoany Ahy noho ny famantarana rehetra izay nataoko teo aminy?
malagasy
Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mandra-pahoviana no hamotsifotsian'ity firenena ity Ahy? ary mandra-pahoviana no tsy hinoany Ahy noho ny famantarana rehetra izay nataoko teo aminy?