Numbers 14:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Satria tsy zakan’NY TOMPO ny mitondra iny firenena iny ho any amin’ny tany izay nianianany taminy homena azy dia naringany tany an-tany efitra!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
‹Tsy zakan’i Iaveh ny nampiditra iny vahoaka iny amin’ny tany efa nianianany homena azy, ka izany no namonoany azy tany an’efitra.›
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Tsy afaka nitondra ny vahoakany ho any amin’ny tany izay efa nampanantenainy azy ny TOMPO, koa izany no nandringanany azy tany an-taniefitra.»
Malagasy Bible 1865
Satria tsy zakan'i Jehovah ny mitondra iny firenena iny ho any amin'ny tany izay nianianany taminy homena azy, dia namono azy tany an-efitra Izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Satria tsy zakan’NY TOMPO ny mitondra iny firenena iny ho any amin’ny tany izay nianianany taminy homena azy dia naringany tany an-tany efitra!
malagasy
Satria tsy zakan'i Jehovah ny mitondra iny firenena iny ho any amin'ny tany izay nianianany taminy homena azy, dia namono azy tany an-efitra Izy.