Numbers 14:29 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Etỳ amin’ity tany efitra ity no hiampatramparan’ny fatinareo. Ary ianareo rehetra izay voaisa araka ny nanisana anareo, dia izay hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, izay efa nimonomonona tamiko,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hiampatrampatra amin’ity efitra ity ny fatinareo. Ianareo rehetra izay efa nanaovana fanisana ka voaisa, ny efa roapolo taona no ho miakatra, izay efa nimonomonona tamiko,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho faty ka hiampatrampatra amin’ity taniefitra ity ianareo. Ianareo rehetra izay nanaovana fanisana, dia ny roapolo taona no ho miakatra fahizany, no ho faty satria efa nimonomonona tamiko.
Malagasy Bible 1865
Etỳ amin'ity efitra ity no hiampatramparan'ny fatinareo; ary ianareo rehetra izay voalamina araka ny nanisana anareo, dia ny hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, izay efa nimonomonona tamiko,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Etỳ amin'ity efitra ity no hiampatramparan'ny fatinareo; ary ianareo rehetra izay voalamina araka ny nanisana anareo, dia ny hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, izay efa nimonomonona tamiko,