Numbers 14:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nahoana NY TOMPO no nitondra antsika ho atỳ amin’ity tany ity mba ho lavon-tsabatra ka ho tonga babo ny vadintsika sy ny zanatsika madinika. Tsy aleontsika va miverina ho any Ejipta?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nahoana no dia nentin’i Iaveh amin’ity tany ity isika, ka ho lavon-tsabatra? Ary ny vady aman-janatsika ho lasan-ko babo. Tsy aleontsika va miverina ho any Ejipta?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa nahoana isika no nentin’ny TOMPO ho lavon-tsabatra amin’ny tany toy izany? Ho lasan-ko babo avokoa ny vady aman-janatsika; koa tsy aleontsika ve miverina indray any Ejipta?
Malagasy Bible 1865
Ary nahoana Jehovah no mitondra antsika ho amin'ity tany ity ho lavon-tsabatra, ary ny vadintsika sy ny zanatsika madinika ho babo; tsy aleontsika miverina ho any Egypta va?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nahoana NY TOMPO no nitondra antsika ho atỳ amin’ity tany ity mba ho lavon-tsabatra ka ho tonga babo ny vadintsika sy ny zanatsika madinika. Tsy aleontsika va miverina ho any Ejipta?
malagasy
Ary nahoana Jehovah no mitondra antsika ho amin'ity tany ity ho lavon-tsabatra, ary ny vadintsika sy ny zanatsika madinika ho babo; tsy aleontsika miverina ho any Egypta va?