Numbers 14:35 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izaho TOMPO efa nilaza fa hataoko tokoa izany amin’izao fiangonana manontolo ratsy izao, izay miangona hikomy Amiko; etỳ amin’ity tany efitra ity no hahalany ritra azy ary etỳ no hahafatesany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izany no nentiko, Izaho Iaveh. Izany no ataoko amin’ity fiangonana ratsy izay niodina tamiko. Ho levona atỳ an’efitra atỳ izy, ho faty atỳ.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izaho TOMPO no efa niteny, ka mianiana Aho fa hataoko tokoa amin’ity fiangonana ratsy sy niodina tamiko ity izany: atỳ an-taniefitra no hiafarany sy hahafatesany.»
Malagasy Bible 1865
Izaho Jehovah efa nilaza fa hataoko tokoa izany amin'izao fiangonana ratsy rehetra izao, izay miangona hiodina amiko; etỳ amin'ity efitra ity no hahalany ritra azy, ary etỳ no hahafatesany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izaho TOMPO efa nilaza fa hataoko tokoa izany amin’izao fiangonana manontolo ratsy izao, izay miangona hikomy Amiko; etỳ amin’ity tany efitra ity no hahalany ritra azy ary etỳ no hahafatesany.
malagasy
Izaho Jehovah efa nilaza fa hataoko tokoa izany amin'izao fiangonana ratsy rehetra izao, izay miangona hiodina amiko; etỳ amin'ity efitra ity no hahalany ritra azy, ary etỳ no hahafatesany.