Numbers 14:44 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Kanjo sahisahy foana izy ireo ka niakatra teo an-tampon’ny tendrombohitra ihany; nefa i Mosesy sy ny vata misy ny faneken’NY TOMPO tsy niala teo an-toby.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanao ditra niakatra teo an-tampon’ny tendrombohitra ihany izy ireo, nefa ny fiaran’ny faneken’i Iaveh ary i Môizy tsy niala teo afovoan’ny toby;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mbola nikiry niakatra hankeny an-tampon-tendrombohitra ihany ireo Israelita; nefa na i Mosesy na ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO dia samy tsy nihetsika teo an-toby.
Malagasy Bible 1865
Kanjo sahisahy foana izy ka niakatra teo an-tampon'ny tendrombohitra ihany; nefa Mosesy sy ny fiaran'ny faneken'i Jehovah tsy niala teo an-toby.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Kanjo sahisahy foana izy ireo ka niakatra teo an-tampon’ny tendrombohitra ihany; nefa i Mosesy sy ny vata misy ny faneken’NY TOMPO tsy niala teo an-toby.
malagasy
Kanjo sahisahy foana izy ka niakatra teo an-tampon'ny tendrombohitra ihany; nefa Mosesy sy ny fiaran'ny faneken'i Jehovah tsy niala teo an-toby.Dia nidina ny Amalekita sy ny Kananita, izay nonina teo amin'izany tendrombohitra izany, ka namely azy ary nanorotoro azy hatrany Horma.