Numbers 14:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa aza mikomy amin’NY TOMPO ianareo, ary aza matahotra ny tompon-tany koa fa hataontsika indraimbava ireo. Ny aloka niaro azy dia efa niala taminy, fa NY TOMPO no momba antsika. Koa aza matahotra azy ianareo!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa aza miodina amin’i Iaveh kosa ianareo, ary aza matahotra ny olona amin’izany tany izany, fa ho fihinana ho antsika izy ireo; ny fialofan’izy ireo efa niala taminy, ary isika omban’i Iaveh, ka aza matahotra azy ireo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa aza mikomy amin’ny Tompo ianareo; ary aza matahotra ny mponin’io tany io, fa tsy misy hataontsika indraim-bava akory ireo. Efa niala taminy ireo andriamanitra fiarovany, fa ny Tompo kosa momba antsika; koa aza matahotra azy ireny ianareo.
Malagasy Bible 1865
Fa aza miodina amin'i Jehovah ianareo, ary aza matahotra ny tompon-tany; fa hanina ho antsika ireo; ny fiarovany efa niala taminy, ary Jehovah momba antsika; koa aza matahotra azy ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Fa aza miodina amin'i Jehovah ianareo, ary aza matahotra ny tompon-tany; fa hanina ho antsika ireo; ny fiarovany efa niala taminy, ary Jehovah momba antsika; koa aza matahotra azy ianareo.