Numbers 15:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary raha misy mpifindra monina eo aminareo, na olona miara-mitoetra aminareo, hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby, ka manolotra fanatitra levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO izy, dia araka izay ataonareo no hataony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha misy vahiny mitoetra eo aminareo, olona miara-monina aminareo, amin’ny taranaka mifandimby, na iza na iza, ka manatitra sorona atao amin’ny afo ho hanitra mahafinaritra ho an’i Iaveh, dia toy ny hataonareo ihany no hataony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny vahiny na izay olona mipetraka ao aminareo, na koa ny valovotaka efa hatramin’ny taranaka maro nifandimby, dia samy hanaraka izany avokoa, rehefa manao sorona izay hanetona ho hanitra hankasitrahina ho AHY.
Malagasy Bible 1865
Ary raha misy vahiny eo aminareo, na olona miara-mitoetra aminareo, hatramin'ny taranakareo fara mandimby, ka manatitra fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah izy, dia araka izay ataonareo no hataony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary raha misy mpifindra monina eo aminareo, na olona miara-mitoetra aminareo, hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby, ka manolotra fanatitra levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO izy, dia araka izay ataonareo no hataony.
malagasy