Numbers 15:24 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary natao tsy nahy izany ota izany ka tsy fantatry ny fiangonana, dia hanatitra vantotra ombilahy iray ny fiangonana manontolo ho fanatitra dorana manontolo, ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO, mbamin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry sy ny fanatitra aidina ampombaina azy, araka ny fanao, ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
raha misy nanota tsy nahy fa tsy fantatry ny fiangonana izany, dia hanatitra vantotr’ombalahy iray ny fiangonana rehetra, ho sorona dorana, ho fanatitra mahafinaritra ho an’i Iaveh, mbamin’ny fanatitra sy ny fanatitra araraka momba azy, araka ny fomba voadidy, ary osilahy iray ho sorona noho ny ota.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha tsy nahy no nanotan’ny fiangonana ka tsy fantany, dia hanolotra amiko TOMPO ombilahy iray ny fiangonana tsivakivolo ho sorona dorana manontolo izay hanetona ho hanitra ankasitrahina ho AHY; hampombaina izany ny fanatitra lafarinina sy divay, araka ny fanao, ary koa osilahy iray ho sorona fanalana ny ota.
Malagasy Bible 1865
koa atao tsy nahy izany ka tsy fantatry ny fiangonana; dia hanatitra vantotr'ombilahy iray ny fiangonana rehetra ho fanatitra dorana, ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah, mbamin'ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina momba azy, araka ny fanao, ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary natao tsy nahy izany ota izany ka tsy fantatry ny fiangonana, dia hanatitra vantotra ombilahy iray ny fiangonana manontolo ho fanatitra dorana manontolo, ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO, mbamin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry sy ny fanatitra aidina ampombaina azy, araka ny fanao, ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota.
malagasy