Numbers 15:25 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an’ny fiangonan’ny Zanak’Israely manontolo ka havela ny helony satria natao tsy nahy izany; hanolotra ny fanatiny izy, dia fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO sy ny fanatiny, eo anatrehan’NY TOMPO, noho ny ota tsy nahy nataony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hanao ny fanonerana ho an’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra ny mpisorona, ka havela ny helony, satria ota vita tsy nahy izany sady efa nanolotra ny fanatiny izy, dia ny sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh sy ny sorona noho ny ota, eo anatrehan’i Iaveh, noho ny ota nataony tsy nahy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy eo ny mpisorona dia hanao ny fombam-pivavahana famelana ho an’ny fiangonana israelita ka ho voavela izy satria ota tsy nahy izany; ary hitondra ny fanatitra amiko izy ireo, dia ny sorona levonina amin’ny afo ho Ahy TOMPO sy ny sorona fanalana ny ota eo anatrehako noho ny ota tsy nahy nataony.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka dia havela ny helony, satria natao tsy nahy izany; ary hitondra ny fanatiny izy, dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, ary ny fanatiny noho ny ota, eo anatrehan'i Jehovah, noho ny ota tsy nahy nataony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an’ny fiangonan’ny Zanak’Israely manontolo ka havela ny helony satria natao tsy nahy izany; hanolotra ny fanatiny izy, dia fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO sy ny fanatiny, eo anatrehan’NY TOMPO, noho ny ota tsy nahy nataony.
malagasy