Numbers 15:28 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an’ny olona izay nanota tsy nahy eo anatrehan’NY TOMPO ka havela ny helony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny mpisorona hanao ny fanonerana, eo anatrehan’i Iaveh, ho an’ilay olona izay diso fa nanota tsy nahy, ka rehefa vita ny fanonerana natao ho azy, dia havela ny helony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy eo ny mpisorona dia hanao ny fombam-pivavahana famelana eo anatrehako ho an’ilay olona nanota tsy nahy ka ho voavela ny fahotany.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an'ny olona izay nanota tsy nahy eo anatrehan'i Jehovah, ka dia havela ny helony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an’ny olona izay nanota tsy nahy eo anatrehan’NY TOMPO ka havela ny helony.
malagasy
Ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an'ny olona izay nanota tsy nahy eo anatrehan'i Jehovah, ka dia havela ny helony.