Numbers 15:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ka manolotra fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO, na omby na ondry aman’osy hatao fanatitra dorana manontolo na fanatitra hafa alatsa-dra hanalana voady, na an-tsitrapo na amin’ny fotoam-piangonanareo, hanaovana hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka hanatitra sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh, na sorona dorana, na sorona fanalam-boady, na fanatitra an-tsitrapo, na amin’ny fetinareo, mba hisy hanitra mahafinaritra ho an’i Iaveh avy amin’ny omby na ondrinareo;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia hanao sorona dorana manontolo ho Ahy TOMPO, na koa sorona hafa ho fanalam-boady, na fanatitra an-tsitrapo, na fanatitra amin’ny fety. Hofidinareo hatao sorona amin’izany na omby na ondry na osy, ka hanetona ho hanitra hankasitrahina ho AHY.
Malagasy Bible 1865
ka manatitra fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, dia omby na ondry aman'osy hatao fanatitra dorana, na fanatitra hafa alatsa-drà hanalana voady, na amin'ny sitrapo na amin'ny fotoam-pivavahanareo, hanaovana hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ka manolotra fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO, na omby na ondry aman’osy hatao fanatitra dorana manontolo na fanatitra hafa alatsa-dra hanalana voady, na an-tsitrapo na amin’ny fotoam-piangonanareo, hanaovana hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO
malagasy