Numbers 15:39 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ho toy izany ny morontongotr’akanjonareo, koa rehefa jerenareo izany dia hotsarovanareo sy hankatoavinareo ny didin’NY TOMPO rehetra; ary tsy handeha araka ny fonareo ianareo, na araka ny masonareo, izay andehananareo hijangajangana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ho sahondra ho anareo izany, ary ny fijerena izany dia hahatsiarovanareo ny didin’i Iaveh rehetra mba hanarahanareo azy rehetra, fa tsy hanarahanareo ny fonareo sy ny masonareo, izay mitarika anareo ho amin’ny fivadihana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hitondra akanjo misy somotraviavy ianareo; koa raha mijery izany ianareo, dia hahatsiaro ny didiko rehetra ary hanatanteraka izany, ka tsy hety havilin’ny fonareo sy ny masonareo amin’ny fanompoan-tsampy.
Malagasy Bible 1865
Ary ho somotraviavy ho anareo izany, ka raha jerenareo, dia hotsarovanareo sy hankatoavinareo ny didin'i Jehovah rehetra; ary tsy handeha araka ny fonareo ianareo, na araka ny masonareo, izay andehananareo hijangajangana,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ho toy izany ny morontongotr’akanjonareo, koa rehefa jerenareo izany dia hotsarovanareo sy hankatoavinareo ny didin’NY TOMPO rehetra; ary tsy handeha araka ny fonareo ianareo, na araka ny masonareo, izay andehananareo hijangajangana.
malagasy