Numbers 15:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
izay manolotra ny fanatiny ho an’NY TOMPO dia hanolotra fanatitra avy amin’ny zavamaniry koa, dia koba tsara toto ampahafolon’ny efaha, voaharo diloilo ampahefatry ny hina;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
izay hanao ny fanatitra ho an’i Iaveh, dia hanolotra lafarina tsara indrindra ampahafolony, voadity tamin’ny diloilo ampahefatry ny hina, hatao fanatitra,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izay hitondra izany sorona izany ho Ahy TOMPO, dia hanao fanatitra lafarinina telo kilao voaharo menaka iray litatra sy tapany
Malagasy Bible 1865
izay manatitra ny fanatiny ho an'i Jehovah dia hanatitra fanatitra hohanina koa, dia koba tsara toto ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo ampahefatry ny hina;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
izay manolotra ny fanatiny ho an’NY TOMPO dia hanolotra fanatitra avy amin’ny zavamaniry koa, dia koba tsara toto ampahafolon’ny efaha*, voaharo diloilo ampahefatry ny hina*;
malagasy
izay manatitra ny fanatiny ho an'i Jehovah dia hanatitra fanatitra hohanina koa, dia koba tsara toto ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo ampahefatry ny hina;