Numbers 16:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Navelany hanakaiky Azy ianao sy ireo rahalahinao taranak’i Levy rehetra miaraka aminao, dia mbola mitady ho mpisorona mihitsy koa va ianareo?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nampandrosoiny ho akaiky Azy ianao, mbamin’ny rahalahinao rehetra, ny zanak’i Levì miaraka aminao, ka dia mitsiriritra ny ho mpisorona koa ve?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Navelany hanakaiky Azy ianareo, ry Kôra sy ny Levita rehetra rahalahinao, dia mbola mitady ny raharahan’ny mpisorona indray ve?
Malagasy Bible 1865
Dia napanakekeny Azy ianao sy ny rahalahinao taranak'i Levy rehetra miaraka aminao, ary mitady ho mpisorona koa va ianareo?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Navelany hanakaiky Azy ianao sy ireo rahalahinao taranak’i Levy rehetra miaraka aminao, dia mbola mitady ho mpisorona mihitsy koa va ianareo?
malagasy
Dia napanakekeny Azy ianao sy ny rahalahinao taranak'i Levy rehetra miaraka aminao, ary mitady ho mpisorona koa va ianareo?