Numbers 16:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary samy nitondra ny fitondrany afo avy izy rehetra ka nanisy afo tao anatiny, dia nanisy ditin-kazo manitra teo amboniny; ary nijanona teo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana izy mbamin’i Mosesy sy i Arona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia samy naka ny fanembohany avy izy rehetra, ka nasiany afo tao anatiny, sy norarahany zava-manitra koa; dia nijanona teo am-baravaran’ny trano lay fihaonana izy, mbamin’i Môizy sy i Aarôna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Samy naka ny fitaovana fandoroany zava-manitra izy rehetra ka nanisy vainafo sy nandraraka vovo-javamanitra tao anatiny; ary nijanona teo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana izy ireo niaraka tamin’i Mosesy sy i Aharôna.
Malagasy Bible 1865
Ary samy naka ny fitondran'afony avy izy rehetra ka nanisy afo teo anatiny, dia nanisy ditin-kazo manitra teo anatiny; ary nijanona teo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana izy mbamin'i Mosesy sy Arona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary samy nitondra ny fitondrany afo avy izy rehetra ka nanisy afo tao anatiny, dia nanisy ditin-kazo manitra teo amboniny; ary nijanona teo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana* izy mbamin’i Mosesy sy i Arona.
malagasy
Ary samy naka ny fitondran'afony avy izy rehetra ka nanisy afo teo anatiny, dia nanisy ditin-kazo manitra teo anatiny; ary nijanona teo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana izy mbamin'i Mosesy sy Arona.