Numbers 16:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nanangona ny antokony rehetra ho eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana i Kora mba hanohitra azy roa lahy. Tamin’izay dia niseho tamin’ny fiangonana manontolo ny voninahitry NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nantsoin’i Kôre ho eo am-baravaran’ny trano lay fihaonana ny fiangonana rehetra, hanohitra an’i Môizy sy i Aarôna. Dia niseho tamin’ny fiangonana rehetra ny voninahitr’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Novorin’i Kôra ny fiangonana manontolo hankeo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana mba hanohitra azy roa lahy. Dia niseho tamin’ny fiangonana manontolo ny voninahitry ny TOMPO;
Malagasy Bible 1865
Ary Kora nanangona ny namany rehetra ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana hanohitra azy roa lahy; dia niseho tamin'ny fiangonana rehetra ny voninahitr'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nanangona ny antokony rehetra ho eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana i Kora mba hanohitra azy roa lahy. Tamin’izay dia niseho tamin’ny fiangonana manontolo ny voninahitry NY TOMPO.
malagasy
Ary Kora nanangona ny namany rehetra ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana hanohitra azy roa lahy; dia niseho tamin'ny fiangonana rehetra ny voninahitr'i Jehovah.