Numbers 16:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niankohoka tamin’ny tany izy roa lahy ka niteny hoe: Andriamanitra ô, Andriamanitry ny fanahin’ny nofo rehetra, olona iray no nanota dia ho tezitra amin’ny ny fiangonana manontolo va Ianao?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary niankohoka tamin’ny tany izy ireo ka nanao hoe: «Andriamanitra ô, ry Andriamanitry ny fanahin’ny nofo rehetra, olona iray no nanota, ka no dia tezitra amin’ny fiangonana rehetra Ianao?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia niankohoka tamin’ny tany i Mosesy sy i Aharôna sady nanao hoe: –Ry Andriamanitra ô, Andriamanitra loharanom-piainan’ny voaary rehetra Ianao, ka hotezeranao ve ny fiangonana manontolo noho ny olona iray nanota?
Malagasy Bible 1865
Dia niankohoka izy roa lahy ka nanao hoe: Andriamanitra ô, Andriamanitry ny fanahin'ny nofo rehetra, olona iray no nanota, ka ho tezitra amin'ny fiangonana rehetra va Hianao?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niankohoka tamin’ny tany izy roa lahy ka niteny hoe: Andriamanitra ô, Andriamanitry ny fanahin’ny nofo rehetra, olona iray no nanota dia ho tezitra amin’ny ny fiangonana manontolo va Ianao?
malagasy
Dia niankohoka izy roa lahy ka nanao hoe: Andriamanitra ô, Andriamanitry ny fanahin'ny nofo rehetra, olona iray no nanota, ka ho tezitra amin'ny fiangonana rehetra va Hianao?