Numbers 16:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nihataka ny olona mba tsy ho eo akaikin’ny tranolain’i Kora sy i Datana ary i Abirama. Ary nivoaka i Datana sy i Abirama ka nijanona teo anoloan’ny varavaran’ny tranolainy, niaraka tamin’ny vadiny sy ireo zanany lahy ary ireo zanany madinika.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nihatahan’ny olona ny manodidina ny fonenan’i Kôre sy i Datàna ary i Abirôna. Dia nivoaka i Datàna sy i Abirôna, ary nitoetra teo am-baravaran’ny lainy, niaraka tamin’ny vady aman-janany sy ny zafiny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanalavitra ny manodidina ny fonenan’i Kôra sy i Datàna ary i Abirama ny vahoaka. Dia nivoaka ny lainy i Datàna sy i Abirama ka nijoro teo am-baravarana niaraka tamin’ny vady aman-janany rehetra.
Malagasy Bible 1865
Dia nihataka ny olona mba tsy ho eo akaikin'ny lain'i Kora sy Datana ary Abìrama; ary Datana sy Abìrama nivoaka ka nijanona teo anoloan'ny varavaran'ny lainy mbamin'ny vadiny sy ny zananilahy ary ny zanany madinika.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nihataka ny olona mba tsy ho eo akaikin’ny tranolain’i Kora sy i Datana ary i Abirama. Ary nivoaka i Datana sy i Abirama ka nijanona teo anoloan’ny varavaran’ny tranolainy, niaraka tamin’ny vadiny sy ireo zanany lahy ary ireo zanany madinika.
malagasy