Numbers 16:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nitambatra hikomy tamin’i Mosesy sy i Arona izy ireo ka niteny taminy hoe: Ampy izay! Masina ny fiangonana manontolo, sady NY TOMPO no eo aminy. Koa nahoana ianareo no dia manandra-tena ho ambonin’ny fiangonan’NY TOMPO?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nivory hiodina amin’i Môizy sy i Aarôna izy ireo, ka nanao taminy hoe: «Aoka izay fa masina avokoa ny fiangonana rehetra, ny olon-drehetra, ary eo afovoan’izy ireo i Iaveh. Nahoana ianareo no manandra-tena ho ambonin’ny fiangonan’i Iaveh?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nitangorona nanodidina an’i Mosesy sy i Aharôna izy ireo ka nanao taminy hoe: –Ampy ho anareo izay, fa masina avokoa ny olona rehetra ao amin’ny fiangonana sady eo afovoany ny TOMPO. Nahoana ianareo no mihevi-tena ho ambonin’ny mambra hafa ao amin’ny fiangonan’ny TOMPO?
Malagasy Bible 1865
koa niangona hiodina amin'i Mosesy sy Arona ireo ka nanao taminy hoe: Aoka izay ianareo! fa masina avokoa ny fiangonana rehetra, sady Jehovah no eo aminy; koa nahoana no dia manandra-tena ho ambonin'ny fiangonan'i Jehovah ianareo?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nitambatra hikomy tamin’i Mosesy sy i Arona izy ireo ka niteny taminy hoe: Ampy izay! Masina ny fiangonana manontolo, sady NY TOMPO no eo aminy. Koa nahoana ianareo no dia manandra-tena ho ambonin’ny fiangonan’NY TOMPO?
malagasy