Numbers 16:30 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa raha hanao zavatra vaovao kosa NY TOMPO ka hisokatra ny tany ary hitelina azy ireo mbamin’izay azy rehetra ary ho latsaka velona any amin’ny fitoeran’ny maty izy dia ho fantatrareo fa efa nanamavo NY TOMPO ireo lehilahy ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa raha manao zavatra tsy fandre kosa i Iaveh, raha ny tany no manoka-bava sy mitelina an’ireo mbamin’izay azy rehetra, ka midina velona any amin’ny fonenan’ny maty ireo, dia fantatrareo fa naniratsira an’i Iaveh ireo olona ireo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa raha manao zavatra tsy mbola fahita kosa ny TOMPO, ka hampisokatra ny tany hitelina azy ireo mbamin’ny fananany rehetra ary izy ireo hidina velona any amin’ny fonenan’ny maty, dia ho fantatrareo fa efa nandà ny TOMPO ireo olona ireo.
Malagasy Bible 1865
Fa raha hanao zavatra vaovao kosa Jehovah, ka hisokatra ny tany ary hitelina azy mbamin'izay azy rehetra, ka ho latsaka velona any amin'ny fiainan-tsi-hita'izy, dia ho fantatrareo fa efa nandà an'i Jehovah ireo lehilahy ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa raha hanao zavatra vaovao kosa NY TOMPO ka hisokatra ny tany ary hitelina azy ireo mbamin’izay azy rehetra ary ho latsaka velona any amin’ny fitoeran’ny maty* izy dia ho fantatrareo fa efa nanamavo NY TOMPO ireo lehilahy ireo.
malagasy
Fa raha hanao zavatra vaovao kosa Jehovah, ka hisokatra ny tany ary hitelina azy mbamin'izay azy rehetra, ka ho latsaka velona any amin'ny fiainan-tsi-hita'izy, dia ho fantatrareo fa efa nandà an'i Jehovah ireo lehilahy ireo.