Numbers 16:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Moa ataonareo ho zavatra kely va ny nanavahan’Andriamanitr’Israely anareo tamin’ny fiangonan’ny Israely ka namelany anareo hanakaiky Azy mba hanaovanareo ny fanompoana momba ny tabernakelin’NY TOMPO sy hijoroanareo eo anatrehan’ny fiangonana hanompo azy?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ataonareo ho zavatra kely va ny nanavahan’ny Andriamanitr’i Israely anareo tamin’ny fiangonan’i Israely, ka nampandrosoany anareo ho akaiky Azy, mba hanao ny fanompoana momba ny Fonenan’i Iaveh sy hitoetra eo anatrehan’ny fiangonana hanao ny fanompoany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy ampy anareo ve ny nanavahan’ilay Andriamanitr’i Israely anareo tamin’ny fiangonan’i Israely mba hahafahanareo manakaiky Azy, ka hanaovanareo ny asa fanompoana ao amin’ny Fonena-masin’ny TOMPO ary hankalazanareo ny fanompoam-pivavahana amin’ny anaran’ny fiangonan’i Israely?
Malagasy Bible 1865
Moa ataonareo ho zavatra kely va ny nampisarahan'Andriamanitry ny Isiraely anareo tamin'ny fiangonan'ny Isiraely hitondrany anareo ho akaiky Azy, hanaovanareo ny fanompoam-pivavahana momba ny tabernakelin'i Jehovah sy hitoeranareo eo anatrehan'ny fiangonana hanompo azy?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Moa ataonareo ho zavatra kely va ny nanavahan’Andriamanitr’Israely anareo tamin’ny fiangonan’ny Israely ka namelany anareo hanakaiky Azy mba hanaovanareo ny fanompoana momba ny tabernakelin’NY TOMPO sy hijoroanareo eo anatrehan’ny fiangonana hanompo azy?
malagasy