Numbers 17:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy i Mosesy tamin’i Arona: Alao ny fitondrana afo dia asio afo avy eo amin’ny alitara izany ary asio ditin-kazo manitra ka ento haingana eo amin’ny fiangonana ary manaova fanavotana ho azy; fa efa mivoaka avy amin’NY TOMPO ny fahatezerana ary efa miantomboka ny areti-mandringana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Môizy tamin’i Aarôna: «Alao ny fanembohana ary asio afo avy eo ambonin’ny ôtely, asio zava-manitra, ka mandehana faingana eo amin’ny fiangonana, dia manaova ny fanonerana ho azy ireo, fa efa nivoaka avy eo anatrehan’i Iaveh ny fahatezerana, ary efa manomboka ny loza.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary hoy i Mosesy tamin’i Aharôna: –Raiso ny fitaovam-panembohana, dia asio vainafo avy amin’ny alitara sy vovo-javamanitra ary mankanesa haingana eo amin’ny fiangonana ka manaova ny fombam-pivavahana hahazoany famelan-keloka. Fa efa nisafoaka ny fahatezeran’ny TOMPO ary efa miantomboka ny areti-mandringana.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Mosesy tamin'i Arona: Alao ny fitondran'afo, ka asio afo avy eo ambonin'ny alitara izy, dia asio ditin-kazo manitra, ka ento faingana eo amin'ny fiangonana, ka manaova fanavotana ho azy; fa efa mivoaka avy tamin'i Jehovah ny fahatezerana, ary efa miantomboka ny areti-mandringana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy i Mosesy tamin’i Arona: Alao ny fitondrana afo dia asio afo avy eo amin’ny alitara izany ary asio ditin-kazo manitra ka ento haingana eo amin’ny fiangonana ary manaova fanavotana ho azy; fa efa mivoaka avy amin’NY TOMPO ny fahatezerana ary efa miantomboka ny areti-mandringana.
malagasy