Numbers 17:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nalain’i Arona araka izay nandidian’i Mosesy izany ka nihazakazaka ho eo afovoan’ny fiangonana izy; ary indro, efa niantomboka teo amin’ny olona ny areti-mandringana. Dia nandoro ny ditin-kazo manitra teo izy ka nanao fanavotana ho an’ny olona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nalain’i Aarôna araka ny voalazan’i Môizy ny fanembohana, ka nihazakazaka nankeo afovoan’ny fiangonana izy; ary indro efa nanomboka ny loza eo amin’ny vahoaka. Dia nasiana zava-manitra ny fanembohana, ka nataony ny fanonerana ho an’ny vahoaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noraisin’i Aharôna araka ny tenin’i Mosesy ny fitaovana fandoroana zava-manitra, dia nilomay nankeo afovoan’ny fiangonana izy; ary indro fa efa niantomboka tamin’ny vahoaka ny loza. Nandoro vovo-javamanitra teo izy ka nanao ny fombam-pivavahana hahazoam-pamelan-keloka ho an’ny vahoaka.
Malagasy Bible 1865
Dia nalain'i Arona izany, araka izay nandidian'i Mosesy, ka nihazakazaka ho eo afovoan'ny fiangonana izy; ary, indro, efa niantomboka teo amin'ny olona ny areti-mandringana; ary nandoro ny ditin-kazo manitra teo izy ka nanao fanavotana ho an'ny olona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nalain’i Arona araka izay nandidian’i Mosesy izany ka nihazakazaka ho eo afovoan’ny fiangonana izy; ary indro, efa niantomboka teo amin’ny olona ny areti-mandringana. Dia nandoro ny ditin-kazo manitra teo izy ka nanao fanavotana ho an’ny olona.
malagasy