Numbers 17:21 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary niteny tamin’ny Zanak’Israely i Mosesy ka samy nanatitra tehina iray avy teo aminy araka ny fianakaviany ary ny lohan’ny fokony, dia tehina roa amby folo; ary ny tehin’i Arona no teo afovoan’ireo tehiny ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niteny tamin’ny zanak’i Israely i Môizy, ka nanatitra tehina iray tamin’ny filohany rehetra, tehina iray isam-pilohany, araka ny fokom-pianakaviany avy, dia tehina 12 izany, ary ny tehin’i Aarôna dia teo afovoan’ny tehin’izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Niteny tamin’ny Israelita i Mosesy, dia samy nanatitra tehina iray avy isam-poko ny filoha rehetra; koa dia nahazo tehina roambinifolo izy, ary ny tehin’i Aharôna dia teo afovoan’ny tehin’izy ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary niteny tamin’ny Zanak’Israely i Mosesy ka samy nanatitra tehina iray avy teo aminy araka ny fianakaviany ary ny lohan’ny fokony, dia tehina roa amby folo; ary ny tehin’i Arona no teo afovoan’ireo tehiny ireo.
malagasy
Ary Mosesy dia niteny tamin'ny Zanak'Isiraely, ka ny lohan'ny firenena dia samy nanatitra tehina iray avy teo aminy araka ny fianakaviany, dia tehina roa ambin'ny folo; ary ny tehin'i Arona dia teo afovoan'ireo tehiny ireo.