Numbers 17:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny fitondrana afon’ireo mpanota nanimba tena ireo dia anefeo takelaka manify hapetaka amin’ny alitara, fa natolony teo anatrehan’NY TOMPO ireny ka tonga masina sady ho famantarana ho an’ny Zanak’Israely koa ireny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aoka ny fanembohan’ireo olona nanota nihatra amin’ny ainy ireo, hofisahina ho takelaka manify mba handrakofana ny ôtely, fa efa naterina eo anatrehan’i Iaveh ireny, ka tonga zava-masina; dia ho famantarana ho an’ny zanak’i Israely izany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny fitaovam-panembohan’ireo olona matin’ny fahotany ireo dia hatao takelaka manify handrakofana ny alitara, fa efa naterina teo anatrehako TOMPO ireny ka masina; ary dia ho marika fampitandremana ho an’ny Israelita izany.
Malagasy Bible 1865
ary ny fitondran'afon'ireo mpanota nanimba tena ireo dia aoka hatao takelaka manify hapetaka amin'ny alitara; fa nateriny teo anatrehan'i Jehovah ireny ka masina; ary ho famantarana ho an'ny Zanak'Isiraely ireny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny fitondrana afon’ireo mpanota nanimba tena ireo dia anefeo takelaka manify hapetaka amin’ny alitara, fa natolony teo anatrehan’NY TOMPO ireny ka tonga masina sady ho famantarana ho an’ny Zanak’Israely koa ireny.
malagasy