Numbers 17:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nalain’i Eleazara mpisorona ireo fitondrana afo varahina izay nanoloran’ireo olona may ireo ka nofisahiny ho takelaka hapetaka amin’ny alitara
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nalain’i Eleazara mpisorona ny fanembohana varahina naterin’ireo olona levon’ny afo, ka nofisahiny ho takelaka handrakofana ny ôtely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nalain’i Elehazara mpisorona ny fitaovam-panembohana halimo izay an’ireo olona nodorana velona ireo, ka nofisahiny ho takelaka handrakofana ny alitara.
Malagasy Bible 1865
Ary nalain'i Eleazara mpisorona ny fitondran'afo varahina, izay efa nanateran'ireo olona may ireo, ka nofisahiny ho takelaka hapetaka amin'ny alitara
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nalain’i Eleazara mpisorona ireo fitondrana afo varahina izay nanoloran’ireo olona may ireo ka nofisahiny ho takelaka hapetaka amin’ny alitara
malagasy
Ary nalain'i Eleazara mpisorona ny fitondran'afo varahina, izay efa nanateran'ireo olona may ireo, ka nofisahiny ho takelaka hapetaka amin'ny alitara