Numbers 17:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary raha niangona nanohitra an’i Mosesy sy i Arona ny fiangonana dia nitodika nijery ny tranolay fihaonana izy roa lahy ka indro, nanarona azy ny rahona ary niseho ny voninahitry NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa raha ilay nivory hanohitra an’i Môizy sy Aarôna iny ny fiangonana, dia nitodika ny trano lay fihaonana i Môizy sy i Aarôna, ka indro fa nanarona an’io ny rahona ary ny voninahitr’i Iaveh niseho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nitangorona nanakiana an’i Mosesy sy i Aharôna ny fiangonana, fa izy roa lahy kosa nitodika nijery tany amin’ny Tranolay fihaonana, ka indro hitany nanarona azy ny rahona izay nisehoan’ny voninahitry ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ary raha niangona hanome tsiny an'i Mosesy sy Arona ny fiangonana, dia nijery ny trano-lay fihaonana izy, ka, indro, nanarona azy ny rahona, ary niseho ny voninahitr'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary raha niangona nanohitra an’i Mosesy sy i Arona ny fiangonana dia nitodika nijery ny tranolay fihaonana* izy roa lahy ka indro, nanarona azy ny rahona ary niseho ny voninahitry NY TOMPO.
malagasy
Ary raha niangona hanome tsiny an'i Mosesy sy Arona ny fiangonana, dia nijery ny trano-lay fihaonana izy, ka, indro, nanarona azy ny rahona, ary niseho ny voninahitr'i Jehovah.