Numbers 18:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy NY TOMPO tamin’i Arona: Ianao sy ireo zanakao ary ny taranaky ny rainao miaraka aminao no hitondra ny heloky ny fitoerana masina; ary ianao sy ireo zanakao miaraka aminao no hitondra ny heloky ny fisoronanareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy i Iaveh tamin’i Aarôna: «Ianao sy ny zanakao ary ny fianakavian-drainao miaraka aminao no hitondra ny heloka momba ny fitoerana masina; ianao sy ny zanakao miaraka aminao no hitondra ny heloka momba ny fisoronanareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy ny TOMPO tamin’i Aharôna: –Ianao sy ny taranakao ary ny taranak’i Levỳ razambenao no hitambesaran’ny heloka atao amin’ny Toeramasina. Fa ianao sy ny taranakao irery ihany no ho tompon’andraikitry ny heloka ataonareo amin’ny fisoronana.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Jehovah tamin'i Arona: Hianao sy ny zanakao ary ny tarana-drainao no hitondra ny heloky ny fitoerana masina; ary ianao sy ny zanakao koa no hitondra ny heloky ny fisoronanareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy NY TOMPO tamin’i Arona: Ianao sy ireo zanakao ary ny taranaky ny rainao miaraka aminao no hitondra ny heloky ny fitoerana masina; ary ianao sy ireo zanakao miaraka aminao no hitondra ny heloky ny fisoronanareo.
malagasy
[Ny amin'ny raharahan'ny Levita sy ny mpisorona, ary ny zavatra izay natao anjarany] Ary hoy Jehovah tamin'i Arona: Hianao sy ny zanakao ary ny tarana-drainao no hitondra ny heloky ny fitoerana masina; ary ianao sy ny zanakao koa no hitondra ny heloky ny fisoronanareo.