Numbers 18:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao koa no anjaranao: Ny anjara nalaina avy tamin’ny zavatra nomeny ho fanatitra dia ny fanatitra asandratra rehetra izay atolotry ny Zanak’Israely; efa nomeko ho anao sy ny zanakao lahy ary ny zanakao vavy koa izany ho lalàna maharitra. Izay rehetra madio amin’ny ankohonanao no mahazo mihinana izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao koa no ho anao: ny zavatra rehetra voaavaka amin’ny fanomezany, dia amin’ny fanatitra ahevaheva rehetra avy amin’ny zanak’i Israely, omeko anao sy ny zanakao lahy ary ny zanakao vavy miaraka aminao ho lalàna mandrakizay; na iza na iza madio ao an-tranonao, dia hihinana amin’izany avokoa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ireto koa dia ho anareo: ireo ampahany nalana tamin’ny fanomezan’ny Israelita, dia ny fanatitra rehetra ahevaheva; omeko ho anjara raikitra ho anao sy ny taranakao lahy sy vavy izany. Izay rehetra madio ao amin’ny ankohonanareo dia mahazo mihinana izany.
Malagasy Bible 1865
Ary izao koa no ho anao: ny zavatra omeny ho fanatitra, dia ny fanatitra ahevaheva rehetra aterin'ny Zanak'Isiraely; efa nomeko ho anao sy ny zanakao-lahy ary ny zanakao-vavy koa izany ho anjara mandrakizay; izay rehetra madio amin'ny ankohonanao no mahazo mihinana izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao koa no anjaranao: Ny anjara nalaina avy tamin’ny zavatra nomeny ho fanatitra dia ny fanatitra asandratra rehetra izay atolotry ny Zanak’Israely; efa nomeko ho anao sy ny zanakao lahy ary ny zanakao vavy koa izany ho lalàna maharitra. Izay rehetra madio amin’ny ankohonanao no mahazo mihinana izany.
malagasy