Numbers 18:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny voalohan-teraka rehetra, izay atolony ho an’NY TOMPO, na olona izany na biby, dia ho anao avokoa. Kanefa tsy maintsy havotanao ny voalohan-teraky ny olona, ary havotanao ny voalohan-teraky ny biby maloto.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny voalohan-teraky ny nofo rehetra ateriny ho an’i Iaveh, na olona na biby, dia ho anao avokoa. Kanefa asaovy avotana ny voalohan-teraky ny olona, sy ny voalohan-teraky ny biby maloto.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Farany dia ho anareo avokoa ny voalohan-teraka rehetra izay aterina ho Ahy TOMPO, na olona izany na biby; kanefa dia havotanareo ny voalohan-teraky ny olona sy ny voalohan-teraky ny biby maloto.
Malagasy Bible 1865
Ny voalohan-teraka rehetra, izay ateriny ho an'i Jehovah, na olona, na biby, dia ho anao avokoa; kanefa tsy maintsy havotanao ny voalohan-teraky ny biby maloto dia havotanao koa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ny voalohan-teraka rehetra, izay ateriny ho an'i Jehovah, na olona, na biby, dia ho anao avokoa; kanefa tsy maintsy havotanao ny voalohan-teraky ny biby maloto dia havotanao koa.