Numbers 18:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny amin’ny fanavotana azy, dia izay efa iray volana no havotanao, araka izay anombanana azy, dia sekela dimy na gera roapolo, araka ny sekela masina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny amin’ny fanavotana azy dia asaovy avotana rehefa teraka iray volana izy, araka izay nanombanana azy, dia dimy sikla volafotsy araka ny sikla masina izay roapolo gerà avy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny fanavotana ny zaza, izay azo aloa rehefa feno iray volana izy, dia vola sekela dimy araka ny sekela masina izay milanja folo grama.
Malagasy Bible 1865
Ary ny amin'ny fanavotana azy, dia izay efa iray volana no havotanao, araka izay ataonao tombany, dia sekely dimy, araka ny sekely masina (gera roa-polo izany).
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny amin’ny fanavotana azy, dia izay efa iray volana no havotanao, araka izay anombanana azy, dia sekela dimy na gera roapolo, araka ny sekela masina.
malagasy
Ary ny amin'ny fanavotana azy, dia izay efa iray volana no havotanao, araka izay ataonao tombany, dia sekely dimy, araka ny sekely masina (gera roa-polo izany).