Numbers 18:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny fanatitra rehetra izay alaina avy amin’ny zava-masina atolotry ny Zanak’Israely ho an’NY TOMPO dia efa nomeko anao miaraka amin’ireo zanakao lahy sy ireo zanakao vavy ho anjarany; lalàna maharitra izany, dia fanekena mandrakizay asian-tsira eo anatrehan’NY TOMPO, ho anao sy ireo zanakao miaraka aminao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izay rehetra voaavaka avy amin’ny zavatra masina, izay avahan’ny zanak’i Israely ho an’i Iaveh, dia omeko anao sy ny zanako lahy ary ny zanakao vavy miaraka aminao, ho lalàna mandrakizay, fanekena voasira mandrakizay eo anatrehan’i Iaveh izany, ho aminao sy ny taranakao miaraka aminao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Omeko ho anjara raikitra ho anao sy ny zanakao lahy ary ny zanakao vavy izay fanatitra masina rehetra avahan’ny Israelita ho Ahy TOMPO. Ho anao sy ho an’ny taranakao dia ho fanekempihavanana maharitra sady tsy azo ovana izany eo anatrehako.»
Malagasy Bible 1865
Ny fanatitra rehetra izay alaina avy amin'ny zava-masina aterin'ny Zanak'Isiraely ho an'i Jehovah dia efa nomeko anao sy ny zanakao-lahy ary ny zanakao-vavy ho anjara mandrakizay; dia fanekena mandrakizay asian-tsira eo anatrehan'i Jehovah izany ho aminao sy ny taranakao koa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny fanatitra rehetra izay alaina avy amin’ny zava-masina atolotry ny Zanak’Israely ho an’NY TOMPO dia efa nomeko anao miaraka amin’ireo zanakao lahy sy ireo zanakao vavy ho anjarany; lalàna maharitra izany, dia fanekena mandrakizay asian-tsira eo anatrehan’NY TOMPO, ho anao sy ireo zanakao miaraka aminao.
malagasy