Numbers 18:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ireo rahalahinao avy amin’ny fokon’i Levy izay fokon’ny razanao koa dia ento miaraka aminao mba hikambana aminao izy ireo ka hanompo anao; fa ianao sy ireo zanakao no ho eo anoloan’ny tranolain’ny Vavolombelona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ento manatona miaraka aminao koa ny rahalahinao, ny fokon’i Levỳ, ny fokon-drainao, ho mpanampy anao, hanompoany anao, rehefa mby anoloan’ny trano lain’ny vavolombelona ianao sy ny zanakao miaraka aminao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ento miaraka aminao koa ireo levita mpiray foko aminao, fa izy ireo no ho mpanampy anao sy ho mpanomponao rehefa mankeo amin’ny Tranolay misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana ianao sy ny taranakao;
Malagasy Bible 1865
Ary ny rahalahinao avy amin'ny firenen'i Levy izay firenen'ny razanao koa dia ento miaraka aminao, mba hikambana aminao izy ka hanompo anao; fa ianao sy ny zanakao ho eo anoloan'ny trano-lain'ny Vavolombelona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ireo rahalahinao avy amin’ny fokon’i Levy izay fokon’ny razanao koa dia ento miaraka aminao mba hikambana aminao izy ireo ka hanompo anao; fa ianao sy ireo zanakao no ho eo anoloan’ny tranolain’ny Vavolombelona.
malagasy