Numbers 18:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ny fahafolonkarenan’ny Zanak’Israely, izay atolony ho fanomezana ho an’NY TOMPO, dia efa nomeko ho an’ny taranak’i Levy ho fananany; izany no nilazako taminy hoe: Tsy hanana lova eo amin’ny Zanak’Israely izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa ny fahafolon-karena hatokan’ny zanak’i Israely ho an’i Iaveh no omeko ho lovan’ny Levita; izany no ilazako aminy hoe: Tsy hanan-dova eo afovoan’ny zanak’i Israely izy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
fa homeko ho anjarany kosa ny fahafolon-karena izay aterin’ny Israelita ho Ahy TOMPO; izany no nilazako taminy fa tsy handray faritany ho lova eo anivon’ny Israelita izy.
Malagasy Bible 1865
Fa ny fahafolon-karen'ny Zanak'Isiraely, izay ateriny ho fanatitra ho an'i Jehovah, dia efa nomeko ho an'ny taranak'i Levy ho fananany; izany no nilazako taminy hoe: Tsy hanana lova eo amin'ny Zanak'Isiraely izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ny fahafolonkarenan’ny Zanak’Israely, izay atolony ho fanomezana ho an’NY TOMPO, dia efa nomeko ho an’ny taranak’i Levy ho fananany; izany no nilazako taminy hoe: Tsy hanana lova eo amin’ny Zanak’Israely izy.
malagasy