Numbers 18:26 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mitenena indray amin’ny levita hoe: Rehefa raisinareo avy amin’ny Zanak’Israely io fahafolonkarena io, izay efa nomeko ho fanananareo avy aminy, dia hanalanareo indray ny ampahafolon’izany ho fanomezana ho an’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Mitenena amin’ny Levita ianao, ka lazao amin’izy ireo hoe: Rehefa mandray ny fahafolon-karena avy amin’ny zanak’i Israely ianareo, izay omeko ho lovanareo avy amin’ny fananan’izy ireo, dia hanokananareo izay ho fanatitra ho an’i Iaveh, ampahafolon’ny ampahafolon-karena.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
mba hamepetra ny levita hoe: –Rehefa mandray avy amin’ny Israelita ny fahafolon-karena izay efa homeko ho anjaranareo ianareo, dia anokany ampahafolony izany ho Ahy TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Mitenena indray amin'ny Levita hoe: Rehefa raisinareo amin'ny zanak'Isiraely ny fahafolon-karena, izay efa nomeko ho fanananareo avy aminy, dia hanalanareo ampahafolony kosa ho an'i Jehovah izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Mitenena indray amin'ny Levita hoe: Rehefa raisinareo amin'ny zanak'Isiraely ny fahafolon-karena, izay efa nomeko ho fanananareo avy aminy, dia hanalanareo ampahafolony kosa ho an'i Jehovah izany.