Numbers 18:28 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Toy izany koa no hanokananareo fanomezana ho an’NY TOMPO avy amin’ny fahafolonkarenanareo rehetra, izay horaisinareo avy amin’ny Zanak’Israely; avy amin’izany no hanateranareo ho an’NY TOMPO, dia ho an’i Arona mpisorona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia mba toy izany koa no hanokananareo fanatitra ho an’i Iaveh, avy amin’ny fahafolon-karena horaisinareo amin’ny zanak’i Israely; ary izany fanatitra voatokana ho an’i Iaveh izany, dia omenareo an’i Aarôna mpisorona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Toy izany no hanateranareo fanatitra ho Ahy TOMPO, avy amin’ny fahafolon-karena izay horaisinareo amin’ny Israelita. Koa haterinareo amin’i Aharôna mpisorona izany fanomezana ho AHY izany.
Malagasy Bible 1865
Toy izany koa no hanateranareo fanatitra ho an'i Jehovah avy amin'ny fahafolon-karenareo rehetra, izay horaisinareo amin'ny Zanak'Isiraely; ary avy amin'izany no hanateranareo ho an'i Jehovah, dia ho an'i Arona mpisorona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Toy izany koa no hanokananareo fanomezana ho an’NY TOMPO avy amin’ny fahafolonkarenanareo rehetra, izay horaisinareo avy amin’ny Zanak’Israely; avy amin’izany no hanateranareo ho an’NY TOMPO, dia ho an’i Arona mpisorona.
malagasy