Numbers 18:29 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Avy amin’ny zavatra rehetra omena anareo no hanokananareo ny fanomezana rehetra ho an’NY TOMPO, avy amin’izay rehetra tsara indrindra ka natokana avy aminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’ny fanomezana rehetra horaisinareo, dia hanokananareo ny fanatitra rehetra izay an’i Iaveh: amin’ny tsara indrindra rehetra, dia hanokananareo ny anjara masina avahana aminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’ny zavatra rehetra azonareo no hanavahanareo tsy misy banga ny ampahany tsara indrindra izay hatokanareo ho Ahy TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ary ny zavatra rehetra omena anareo no hanateranareo ny fanatitra rehetra izay alaina ho an'i Jehovah, dia amin'izay rehetra tsara indrindra avy aminy, dia izay zavatra masina avy aminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Avy amin’ny zavatra rehetra omena anareo no hanokananareo ny fanomezana rehetra ho an’NY TOMPO, avy amin’izay rehetra tsara indrindra ka natokana avy aminy.
malagasy
Ary ny zavatra rehetra omena anareo no hanateranareo ny fanatitra rehetra izay alaina ho an'i Jehovah, dia amin'izay rehetra tsara indrindra avy aminy, dia izay zavatra masina avy aminy.