Numbers 18:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hitandrina ny anjara raharahanao sy ny anjara raharaha rehetra momba ny tranolay izy ireo; kanefa ny fanaky ny fitoerana masina sy ny alitara dia tsy mba hakaikeziny, fandrao ho faty izy ireo sy ny tenanareo koa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hanatanteraka ny fanompoanao sy ny fanompoana momba ny trano lay rehetra izy, nefa tsy hanakaiky ny fanaky ny fitoerana masina na ny an’ny ôtely, fandrao maty ianareo, dia izy sy ianareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
hanompo anao sy hikarakara ny Tranolay manontolo izy, nefa tsy hanakaiky ny fanaky ny Toeramasina sy ny alitara fandrao maty na ny tenany na ny tenanareo.
Malagasy Bible 1865
Dia hitandrina ny anjara-raharahanao sy ny anjara-raharaha rehetra momba ny trano-lay izy; kanefa ny fanaky ny fitoerana masina sy ny alitara dia tsy mba hakekeny, fandrao maty ireo sy ny tenanareo koa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hitandrina ny anjara raharahanao sy ny anjara raharaha rehetra momba ny tranolay izy ireo; kanefa ny fanaky ny fitoerana masina sy ny alitara dia tsy mba hakaikeziny, fandrao ho faty izy ireo sy ny tenanareo koa.
malagasy