Numbers 18:32 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy hahazoanareo heloka ireny raha maka ny tsara indrindra avy aminy ianareo; ary tsy mandoto ny zava-masina aterin’ny Zanak’Israely ianareo ka tsy ho faty.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Rehefa ny tsara indrindra aminy no natokanareo, dia tsy hahazo heloka ny amin’izany ianareo; tsy handoto ny fanatitra masina avy amin’ny zanak’i Israely, ka tsy ho faty ianareo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy manota akory ianareo amin’izany, rehefa ny ampahany tsara indrindra aminy no navahanareo; tsy handoto ny fanatitra masina entin’ny Israelita akory ianareo, ka dia tsy ho faty.
Malagasy Bible 1865
Ary tsy hahazoanareo heloka ireny, raha maka ny tsara indrindra avy aminy ianareo; ary tsy holotoinareo ny zava-masina aterin'ny Zanak'Isiraely, dia tsy ho faty ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy hahazoanareo heloka ireny raha maka ny tsara indrindra avy aminy ianareo; ary tsy mandoto ny zava-masina aterin’ny Zanak’Israely ianareo ka tsy ho faty.
malagasy
Ary tsy hahazoanareo heloka ireny, raha maka ny tsara indrindra avy aminy ianareo; ary tsy holotoinareo ny zava-masina aterin'ny Zanak'Isiraely, dia tsy ho faty ianareo.